TSY MAHAGAGA

Tsy mahagaga toy izao

Raha toa nosoloiny ianao

Olonkafa vaovao ny anilany eo

Vao niandoha dia fantany

Toa mahatsapa izy hoe resinao

Ka niaretany avokoa ireo toetranao

Chorus: 

Noheverinao adala angamba izy tamin’ireny

Tsy ahalala fitia tsy ho azy

Nataony am-po, tadidiny satria mafy

Fony izy izy najohy nihafy

Dia nafoiny , nosoloiny, ny momba anao

Nohadinoiny tsy hisy intsony

Tsy ho azy ianao

Fahotana avy aminao

No mahatonga izao rehetra izao

Mety ho tsapany tokoa, raha niova ianao

Vao niandoha dia fantany

Toa mahatsapa izy hoe resinao

Ka niaretany avokoa ireo toetranao

Chorus: 

Noheverinao adala angamba izy tamin’ireny

Tsy ahalala fitia tsy ho azy

Nataony am-po, tadidiny satria mafy

Fony izy izy najohy nihafy

Dia nafoiny , nosoloiny, ny momba anao

Nohadinoiny tsy hisy intsony

Tsy ho azy ianao

A/C Donat RASAMIMANANA -  Aina COOK

  • Facebook Basic Black
  • Black Instagram Icon
  • Black YouTube Icon

© 2017 Aina Cook.